Natao sonia, omaly 9 jona, ny fifanarahana famatsiam-bola 100 tapitrsia dolara, eo amin’ny Banky Iraisam- pirenena (BM) sy ny fanjakana malagasy, nosoloin’ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo.
Mizara telo ny sehatra hampiasana ity 100 tapitrisa avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena ity. Voalohany, hanamafisana ny fahaiza-mitantana ny lafiny ara-bola eny ifotony manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Faharoa, hampiroboroboana ny fampiasam-bola eto an-toerana sy avy any ivelany. Fahatelo, hanohanana ny fanavaozana ireo rafitra tena manan-danja mitondra fampandrosoana, toy ny ao amin’ny lafiny fifandraisan-davitra niomerika, ny angovo ary ny harena an-kibon’ny tany.
Manan-danja ho an’ny governemanta malagasy ny fanarenana ny rafitra mifehy ny fandraharahana. Satria tanjona ny hisian’ny fitomboan- karena manoloana ny fiatrehana ny zava-misy sy ny krizy eto an- toerana sy ny sehatra iraisam-pirenena. Nohamafisin’ny minisitra Rabarinirinarison R.H, fa tsy tanteraka ity fifanarahana miaraka amin’ny Banky Iraisam-pirenena ity, raha tsy teo ny ezaka nataon’ny filoham-pirenena, ny pramiministra ary ireo sehatra voakasika.
Fanavaozan-drafitra
Maro ny fanavaozana nataon’ny fanjakana malagasy, ahafahana isian’ny fitomboan-karena amin’ny lafiny seha-pihariana manan-danja, indrindra ny lafiny fambolena sy ny hafa. Manampy ireo, ny fanamafisana ny mangarahara amin’ny tsenambaro-panjakana, ny fahaiza-mitantana amin’ny fitantanam-bolam-panjakana. Eo koa ny fanatsarana mba hahombiazan’ny fampidiram-bolam–panjakana, ny fampiroboroboana ny fampiasana ny teknlojia niomerika, ny famerenana ny fitantanana ny Jirama, sns.
Njaka Andriantefiarinesy