Ho fetiben’ny baolina lavalava, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny tontolo andron’ny alahady 11 jona 2023. Hotanterahina eny mantsy ny «Festival des rugbys», fiarahana mientana sahady ny ho fisian’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany amin’ny baolina lavalava, tanterahina any Frantsa, ny 8 septambra ka hatramin’ny 28 oktobra ho avy izao. Ho fanamarihana izany, hisy lalao goavana hifanandrinan’ny Makis de Madagascar sy ny ekipa voafantin’i La Réunion.
Raha tsiahivina, efa nifandona ny ekipa roa tonta ny volana avrily lasa teo ary nisaraka ady sahala, 40 no ho 40. Ity izany no tsontsorimamba isarahana eo amin’ny roa tonta. Marihina fa ao anatin’ny fanomanana ny fifanintsanana ho an’ny «Mondial 2027” ny Makis de Madagascar.
Etsy ankilany, hiverina hiakatra kianja ihany koa ireo Makis 2012, ka hifampitana amin’ny Barbarians. Hanokatra ny fotoana ny fifanandrinan’ny FTM Manjakaray sy ny Tam Anosibe. Hisy koa lalao ho an’ny sokajy zandriny, “Benjamin, minime, junior”, eo amin’ny rugby lalaovin’olona 7. Ho an’ny “junior” manokana, hifampitana amin’ny USA Ankadifotsy ny Terres en mêlées Toliara 1 ary hifanazava amin’ny UASC Cheminots ny Terres en mêlées Toliara 2. Tanjona amin’ity “Festival des rugbys” ity ny fampihenana ny tsy fitoviana eo amin’ny lahy sy ny vavy, amin’ny alalan’ny rugby. Mikarakara ny hetsika ny masoivohon’i Frantsa, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny Malagasy Rugby, ny Terres en mêlées, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ary ireo mpiara-miombon’antoka.
Tompondaka