Fiahiana sosialy: nanome 7 hetsy dolara ny Pam

Vita tetsy Anosy, omaly, ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo
amin’ny fandaharanasam-pi­re­nena momba ny fanjarian-tsakafo (Pam) sy ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy.
Vola mitentina 7 hetsy dolara no enti-miasa hanarenana ara-tsakafo ireo olona tena marefo any amin’ireo faritra iasany, amin’ity taona ity. Havaozina isan-taona ny famaritana ny tetibola arakaraky ny asa hatao.
Haharitra efa-taona ny fiaraha-miasa, izay hitohy hatramin’ny taona 2028. Hapetraka ny tetikasa vonjy aina ary hiompana amin’ny sakafo sy ny fanarenana ny voina izany. Eo koa ny fanaovana tetikasa maharitra 2 na 3 taona.
Hiparitaka manerana ny Faritra 23 ny tetikasa, manomboka amin’ny faran’ny volana jolay izao, raha tamin’ny faritra vitsy izany teo aloha. Tsy ho any atsimon’ny Nosy iha­ny fa hahenika an’i Ma­da­gasikara mihitsy.
Distrika 47 no misy ny tetikasa ankehitriny ary ho tonga any amin’ny 100 izany hatramin’ny faran’ny taona, raha ny fanazavana nentin’ny tale jeneralin’ny Fiahiana sosialy, Rivomanana Ghis­bert. Amin’ny taona 2024 dia ho rakotra avokoa ny faritra rehetra.
1.300.000 ny tokantrano misitraka mivantana amin’ireo Faritra 23. Amin’ny taona 2030 dia ny antsasa-manilan’ ny olona marefo dia hisitraka tohana amin’ny fiahiana ara-tsosialy avokoa. Manodidina ny 25% anefa izao no efa misitraka izany.
Omaly ny fotoana nihaonana tamin’ny mpamatsy vola samihafa sy ny minisiteran’ny Mponina niresahana ny fiahiana sosialy. Manamafy ny mpiara-miombon’antoka ny maha-zava-dehibe ny fanavaozana ny paikadin’ny fiahiana ara-tsosialy hahafahana mahazo vokatra tsaratsara kokoa. Ifarimbonan’ny minisiteran’ny Mponina, ny Fa­hasalamam-bahoaka, ny Fa­na­beazam-pirenena, ny Fa­m­bo­ena sy ny fiompiana ary ny Fiahiana sosialy eto Ma­da­gasikara.

Tatiana A

Partager sur: