Filoha Andry Rajoelina sy Emmanuel Macron: manohana ny fifidianana demokratika i Frantsa

Notanterahina tao amin’ny lapan’i Elysée, omaly, tany Frantsa, ny fihaonan’ny filoha Andry Rajoelina sy ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron. Nivoitra tamin’izany ny fahavononaan’i Frantsa hanohana ny fifidianana hatao eto amintsika.

Nohamafisin’ny fanambarana tamin’ny fihaonana fa vonona ny Frantsay hanohana ny ezaka ataontsika amin’ny hanatanterahana fifidianana malalaka sy mangarahara ary demokratika. Nampanantena ny filoha Frantsay fa handefa mpanara-maso ny fifidianana ary hampirisika izany koa amin’ny Vondrona eoropeanina. Eo koa ny fahavonan’ny filoha Frantsay handrotsaka ny fanampiany amin’ny fifidianana amin’ny alalan’ny “Basket fund”.
Eo amin’ny toekarena kosa, manohana sy mampirisika ny hanatanterahana ny drafitra fampandrosoana “Plan émergence Madagas­car” i Frantsa. “Vonona izahay ny hanohana amin’ny fampandrosoana ny any atsimo”, hoy izy. Hojerena miaraka ny fiaraha-miasa eo amin’ny paikady eo amin’ny fitaterana ana habakabaka amin’ny alalan’ny fiaramanidina Mada­gascar Airlines eto amintsika sy ny eo anivon’ny Airbus.
Etsy andaniny, hitondra ny anjara birikiny amin’ny fiampitantsika any amin’ny angovoazo havaozina i Frantsa ho fampiroboroboana ny tontolon’ny herinaratra. Nitondra to­lokevitra ho fampiroboroboana ny politikan’ny fitaterana an-dranomasina koa i Frantsa.
Famatsiam-bola ho an’ny fiovan’ny toetr’andro

Ankoatra izany, nambaran’ny filoha Andry Rajoelina ny maha zava-dehibe ny haha maoderina kokoa ny orinasa Secren ary koa ny hidirantsika eo anivon’ny tetikasa Ata­lanta.
Mbola hisy ny fihaonana eo amin’ny firenena roa tonta ny 22 sy ny 23 jona izao hanamafisana izany sy hametrahana ny fifanakalozana koa eo amin’ny fahazoana fama­tsiam-bola hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Tsiahivina fa hitohy amin’ny fandraisana anjaran’ny filoha Andry Rajoelina amin’ny fikaonan-doha iraisam-pirenena momba ny asa, ny 14 sy ny 15 jona izao, any Genève izao diany any Eoro­pa izao. Hasongadina amin’izao ireo fanavaozana nentina eo amin’ny fampiharana ny zon’ny mpiasa eto amintsika.

Synèse R.

Partager sur: