Manana fifandraisany akaiky amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany i Frantsa sy i Madagasikara. Noraisin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika, Rakotomalala Herindrainy Olivier, teny amin’ny birao fiasany Ampandrianomby, ny 8 jona teo, ny masoivohon’i Frantsa vaovao, Arnaud Guillois.
Navoitran’ny ambasadaoro frantsay ny asa nataon’ny Birao fikarohana ara-jeolojika sy ny harena an-kibon’ny tany (BRGM) sy ny rafitra samihafa. Tanjona ny hahafahan’i Frantsa manampy bebe kokoa ny fampandrosoana toekarena sy sosialy eto Madagasikara.
Ho an’ny minisitra malagasy, miha-matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Firenena nanomboka ny asa fikarohana mikasika ny harena an-kibon’ny tany eto amintsika i Frantsa. Eo koa, ny fankatoavana ny fanovana ny lalàna mifehy ity sehatra ity, ny tontolon’ny fandraharahana, ny fampiasam-bola vaventy iraisam-pirenena, ny fiaraha-miombon’antoka amin’ ny fampiofanana, ny fanatsarana ny fiaraha-miasa, sns.
Njaka A.