Tontosaina anio, eny amin’ ny foibe toeran’ny Havàtsa-UPEM, Tahala Rarihasina Analakely, ny Atrikasa fanoratana tantara foronina karakarain’ny fikambanana Havàtsa-UPEM. Ity hetsika ity izay tafiditra ao anatin’ny iray volana anandratana ny teny malagasy. Amin’ity anio ity, Ranjatohery Harilala, mpampianatra sy mpikaroka ary mpanoratra tantara foronina no hitarika ny atrikasa. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hampiakarana ny lentan’ny tantara foronina mba hampiroborobo izany karazana haikanto izany.
Mitohy hatrany ny atrikasa fanoratana karakarain’ny fikambanan’ny mpanoratra sy ny poeta malagasy. Ranjatohery Harilala indray no hizara ny fahaiza-manaony
sy ny traikefany eo amin’ny fanoratana tantara foronina anio. Fampianarana ny fototry ny fanoratana tantara foronina, ireo singa tsy azo ialàna amin’ny fanoratana izany, ireny rehetra ireny no ampitaina amin’ireo miatrika ny atrikasa. “Anisan’ny haikanto entina hanabeazana ny tantara foronina ka tsy azo atao ankilabao amin’izao maha fanabeazana azy izao”, hoy ny mpikarakara.
Lin (Mpianatra asa)