Na firenena kely velaran-tany aza i Israely, ambony be ny tahan’ny fitomboan-karena isam-batan’olona. Nampahafantarina, omaly, ny fijoroan’ny Antenimieran’ny Varotra Israely-Madagasikara (CCISMA) eto Madagasikara. Tanjona, ny hanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-barotra ary ara-kolontsaina eo amin’ny tany roa tonta. Manana tombondahiny amin’ny lafiny fahaiza-manao i Israely, eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fandraharahana aminy (agri-business), ny angovo, ny fizahantany, ny ara-kolontsaina, sns.
Sehatra iray ahafahan’ity firenena ity manohana ny malagasy mpandraharaha ny CCISMA. Nilaza ny filoha lefitry ny filankevi-pitantanana (CA) ny CCISMA, Rakotonavahy Jaona, fa anisan’ny voafehin’Israely ny fambolena sy ny fanodinam-bokatra amin’ny fambolena, ny fampiroboroboana ny fizahantany sy ny fanorenana trano fisakafoana lehibe. Etsy ankilany, hatao amin’ny volana oktobra ho avy izao, ny fampahafantarana ireo otrikarena eto Madagasikara, karakarain’ny CCISMA.
Njaka A.