Lalaon’ny Nosy 2023 : nifarana ny fiofanan’ny atleta tany Chine

Nikatona tanteraka ny fiofanana nataon’ny atleta malagasy tany Chine, ho an’ny taranja atletisma sy fibatana fonjamby. Fiofanana ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy, hatao eto Madagasikara ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao.

Tamin’ny alalan’ny fi­tsapana farany no namaranana tanteraka ny fiofanana natrehin’ireo atleta malagasy any Chine, ho an’ny taranja atletisma manokana. Nisy ny fitsapana farany natao, ny alarobia lasa teo, nijerena ny fivoaran’ny atleta tsirairay sy ny haavo teknikan’izy ireo. Torak’izany koa ny taranja fibatana fonjamby. Ho an’ny taranja badminton sy tenisy ambony latabatra kosa, mbola hitohy amin’iny herinandro ho avy iny ny fiofanana ary ny 15 jona izao no hifarana tanteraka. Namba­ran’ireo atleta fa mafy ny fiofanana natrehin’izy ireo tao anatin’izay efa-bolana izay. Ambony be, hoy izy ireo, ny lentan’ny atleta ao Chine ka tsy maintsy nanaraka izany ihany koa ny lentan’ny atleta malagasy. Na izany aza, nisy fivoarana be ireo atleta malagasy ary nihatsara hatrany ny vokatra azo nandritra ny fitsapana natao. Tsiahivina, miisa 51 ny mpanao fanatanjahantena malagasy nisitraka ity fiofanana any Chine ity. Tetikasa vokatry ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny fanjakana malagasy sy ny fanjakana sinoa izao nahafahan’ny atleta malagasy misitraka fampiofanana izao.
Aorian’ny fampiofanana nomen’ny teknisiana sinoa, hisy ny fanomezana fitaovana ara-panatanjahantena ho an’ny mpanao fanatanjahantena malagasy, hanohizana ny fanazaran-tena, araka ny nambaran’ny mpanolotsaina eo anivon’ny masoivohon’i Chine, i Huo Wei. Efa nisy tonga ny volana mey lasa teo ny ampahany tamin’ireo fitaovana ireo ary naseho tetsy amin’ny Lapan’ny fa­natanjahantena Mahama­sina.

Mi.Raz

Partager sur: