Ligue des Champions 2023 : Manchester City sa Inter Milan ?

Hotanterahina anio, ao amin’ny kianjan’i Istanbul ny lalao famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa « Ligue des Cham­pions 2023 » (LDC). Araka izany, hiady ny amboarabe ny Man­chester City, anglisy sy ny Inter Milan, Italianina. Tsia­hivina fa ny Manchester City, nanilika ny Real de Madrid, Espaina teo amin’ny lalao manasa-dalana, raha toa ka ny AC Milan, Italiani­na no na­hintsan’ny Inter Milan. Ma­rihina fa indroa amin’ity izao ny Man City no hiatrika fa­maranana, raha toa ka efa nibata ny amboaran’ny LDC ny ekipa italianina, tamin’ny taona 2010. « Hiezaka mafy izahay ny haka ny amboarabe voalohany ho anay”, hoy i Kevin De bruyne, irakiraka Man­chester City. “Efa niady tanteraka izahay, ary hiezaka ny haka amboara”, hoy i Lukaku, lohalaharana Inter Milan.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: