Nogiazana : olona 10 nahatrarana paraky gasy 874 kg

Noraisim-potsiny niaraka tamin’ny tompony tao anaty fiara, paraky gasy 874 kilao saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Miarinarivo, kaominina ambanivohitra Andranomamy, ny alarobia 7 jona lasa teo. Naharay loharanom-baovao avy tamina tsara sitrapo, misy fiara mpitatitra iray voalaza fa nitondra ireo entana ireo niala avy ao Tanambe Amba­­tondrazaka hihazo an’Andranofasika. Niandry kendry tohina ny fandalovan’io fiara voalaza io ny zandary. Nosavaina avy hatrany ny fiara. Sarona tao tokoa ny gony am-polony nisy ireo paraky tsy nisy taratasy ara-dalàna. Olona folo voasaringotra tamin’ity fahatrarana ity ka vehivavy ny telo. Tompon’entana avokoa izy ireo. . Nentina hatao fanadihadiana eny anivon’ny bi­raon’ny zandary ireto olona voasambotra ireto. Nogiaza­na ireo paraky.

Tsiferana R.

Partager sur: