Orange Pro League : hafana ny lalao manasa-dalana

Hotanterahina manomboka anio ny lalao manasa-dalana mandroso amin’ny fifaninanam-pirenena “Playoff Orange Pro League (OPL)”. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Fosa Junior Boeny sy ny Ajesaia Bongolava. Fifanandrinana hotontosaina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By-pass. Mbola manala vela ny mpilalaon’i Bongo­lava satria efa resin’ny ekipan’i Boeny, tamin’izy ireo nifandona tao amin’ny kaonferansy avaratra. Marihina fa ny ekipan’i Bongolava no nanintsana ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy, tompondaka farany, teo amin’ny ampahefa-dalana. Ny ekipan’i Boeny kosa dia nanilika ny ekipan’ny Disciples FC teo amin‘ny ampahefa-dalana ihany. Ankoatra izay, hifandona anio any Toama­sina ny AS Fanalamanga sy ny Cosfa. Mbola manala vela amin’ireo miaramila ny mpilalaon’ny Fanalamanga.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: