Ravan’ny alika mpitsongodia… : tratra ireo mpanao trafikana zava-mahadomelina

Ravan’ny zandary tamin’ny alalan’i Matt (alika mpitsongodia an’ny zandarimaria) ireo tambajotrana mpivarotra rongony eny Morondava/Antehiroka. Tokantranona raim-pianakaviana iray 64 taona no na­naovan’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antehiroka sy ny ekipan’ny CRFDC Ivato nitondra an’i Matt, mpitily manokana momba ny zava-mahadomelina, fisavana sy fidinana ifotony. Taorian’ny fisavana ny trano sy ny manodidina no nahatrarana taratasy famonosana rongony hamidy tokony ho iray kitapo babena, fonosan-drongony roa, tapakazo sy odiratsy iray kitapo. Nitohy ihany ny fikarohana nataon’i Matt ka nahitana fonosan-drongony lehibe efatra tanaty harona plastika nasitrika tao anaty lavaka amoron-tanimbary ivelan’ny tanàna. Vokany, fonosan-drongony miisa 52, milanja 540 grama, voan-drongony milanja 150 grama, raviny mbola tsy voafono tanaty harona plastika milanja 1kg sy 338 grama ary vovony no hita tao. Mitontaly 2,482 kg izany, araka ny tatitra nampitain’ny zandary hatrany. Nentina hanaovana famotorana ao amin’ny zandary ireto olona valo voarohirohy ireto.

Jean Claude

Partager sur: