Velon-taraina ireo mpiasa miandraikitra ny fampandehanana ny baka fiampitana amin’ ny reniranon’i Pangalana sy Mangoro fa tsy nandray karama intsony efa ho roa taona izao.
Anisan’ny mampiampita amin’ny baka eo Manonilaza Razafimanjarimanana Zakaria. Ny volana jolay 2021 no nandray karama farany ireo mpiasa amin’ny baka. Ny karama volana novambra sy desambra 2022 no nalefan’ny fanjakana farany.
Sahirana amin’ny fampianaran-janaka, ny fivelomana tsizarizary satria lasa manao vadin’asa amin’ny fambolena sy fiompiana. Hatramin’izao tsy misy ny fandraisana ho mpiasa raikitra ara-panjakana raha efa nisy kosa ny fampanantenana.
Hatramin’ny taona 2006 no niasany teo. Mahazaka fiara telo sy olona manodidina ny 30 in-dray mitondra ny eo Manonilaza. Tafiditra ao anatin’ny lalam-pirenena faha11 A io baka iasany io.
Efa miha simba ary mampanahy ny fahanteran’ny baka eo Manonilaza. Maro ny hazo efa boboka sy malemy ka vaky avy hatrany vao voahitsaky ny kodiarana. Tokony ho isaky ny roa taona ny fanamboarana sy fanatsarana hatao. Tamin’ny taona 2019 anefa no nisy fanamboarana farany.
Olona telo no miasa amin’ ny baka iray, miantoka ny fiampitan’ny olona sy ny fiara ary ny entana. Iandraiketan’ ny minisiteran’ny Asa vaventy ny baka.
Tsy andoavam-bola ny fiampitana baka. Mitondra solika kosa ireo miampita satria tsy misy solika omen’ny fanjakana. Efa an-taona maro no tsy nahazo solika avy amin’ny fanjakana ireo tomponandraikitra mampita baka. Tamin’ny taona 2020 no nahazo farany, rehefa misy lehibe mandalo.
Tatiana A