Basikety N1B (L) : niady ny fihaonan’ny AS Victoire sy Akbb

Niditra tamin’ny andro faharoa, omaly, any Mo­ron­­dava, ny fifaninanana nasionaly N1B Lehilahy, taranja basikety. Azo la­zaina ho mifandanja tsara avokoa ireo ekipa mpifaninana rehetra nandritra izay roa andro izay. Fi­haonana tena niady ary nampitsanga-mitoetra ny mpijery, ny lalao teo amin’ny As Victoire Boeny sy ny AKBB Analamanga, izay nisaraka tamin’ny isa 42 no ho 43, ka nivoaka ho mpandresy ny AKBB. Torak’izany ny fifandonan’ny BLACK Atsi­nanana sy ny 3FB Androy . Isa roa monja ny nanelanelana ny an’ny roa tonta (54-56), izay nivoahan’ny 3FB ho mpandresy. Nan­dravarava kosa ny SBBC Boeny nanoloana ny Serasera Vakinanka­ratra ka nahazo ny fandresena, tamin’ny isa ma­vesatra 76 no ho 46. Mbola hitohy hatramin’ny alahady 18 jona izao ny fifaninanana N1B lehilahy, tontosaina any Morondava ity. Hiakatra ho N1A izay ekipa tompondaka amin’izany.

Mi.Raz

Partager sur: