Fambolena potiky ny havandra : fanampiana ho an’ny tantsaha any Manandriana sy Fiaferana

Nidina tany Manandriana sy Fiaferana Avaradrano, ny sabotsy 10 jona teo, ny filohan’ny Antenimierandolona sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny tale jeneralin’ny orinasa STOI. Nitondra fanampiana izy ireo ho an’ny tantsaha tra-pahavoazana vokatry ny havandra farany teo.

Nitaraina ny tantsaha any Manandriana sy Fiaferana fa potiky ny havandra farany teo ny fambolena. Nahatratra 150 ha ny velarantany simban’ny ha­van­dra tany Manandriana, velarantany 90 ha nambolena tongolo ravina, 45 ha tsaramaso, 15 ha vary, izay tsy mbola vokatra. Mamatsy ny tsenan’Anosibe sy any Toa­masina ny eny Manandriana. Manodidina ny 600.000 Ar hatramin’ny 1 tapitrisa Ar isan’andro ny fatiantoky ny tan­tsaha, vokatr’izao loza izao.
Ho an’i Fiaferana, fokontany enina amin’ny 10 no tra-pahavoazana. Mahatratra 40 ha ny velarantany tratry ny havandra ka tanimbary ny 20 ha izay tsy mbola niaka-bokatra. Eo koa ny voly avotra toy ny petit pois, ny anana, ny haricots vert, karaoty, ovy, tsaramaso, sns. Miisa 181 ny tokantrano traboina.

Fitaovam-pamokarana
Notolorana vary 1563 kg, voamaina 635 kg, lafarinina 250 kg ary vatsy tsinjo 125 fonosana ny tokantrano miisa 25 tany amin’ny kaominina Manandriana. Anko­atra ireo, notolorana fitaovam-pamokarana koa izy ireo, toy ny sobika, fanondrahana, angady miisa 20, «transplanteur», zezika kankana 20 fonosana amina 1 kilao, masomboly ho an’ny voly legioma sy anana 600 fonosana avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena. Teo koa ny tafo fanitso miisa 10 hanafoana ny EPP Manan­driana.
Nentanin’ny filohan’ny Antinimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana, ny vahoaka tsy ho kivy sady mba hitraka amin’izao fahavoazana izao. Inoana fa hiarina ny tokantranon’izy ireo amin’izao fanampiana fitaovam-pamokarana sy masomboly izao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: