Fanabeazana : nohatsaraina ny kalitaon’ny taratasim-panadinana

“Miroso araka ny tokony ho izy ny fanomanana ny fanadinam-panjakana eto amin’ny Nosy”, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, raha nanontaniana, teny Andohatapenaka, ny sabotsy lasa teo. Nilaza izy fa nisy fanatsarana ihany nata­on’ny fitondram-panjakana mandritra ny fizotry ny fanadinana amin’ity taona ity. Tanjona ny hanatsarana sy hampiakarana ny voka-panadinana. Nohatsaraina ny kalitaon’ny taratasim-panadinana eny anivon’ny ivontoeram-panadinana tsirairay avy manerana ny Nosy, raha ny nambarany. Nampitomboina ihany koa ny ivontoeram-panadinana manerana ny Nosy. “Nasiana ivontoeram-panadinana hanalana bakalorea, avokoa ny distrika rehetra manerana ny Nosy mba hialana amin’ny dia an-tongotra lavitra be ataon’ireo ankizy hiatrika ny fanadinana”, hoy hatrany izy. Nanampy betsaka nanatanteraka izany, ny filohan’ny Repoblikan’i Madaga­si­kara sy ny Praiministra. Ho tanterahina ny 20 jona hoavy izao ny fanadinam-panjakana ambaratonga voalohany (Cepe) eto amin’ny Nosy. Mbola manana valo andro ireo ankizy hanomanana ny saina sy ny vatana ary ny lafiny ara-pitaovana rehetra hoenti-miatrika ny fanadinana. Marihina fa 515 081 ireo mpiadina fanadinana CEPE manerana ny Nosy.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: