Notoloran’ny filohan’ny valanjavaboahary Zoo de Zurich any Soisa, taratasim-bola 100.000 dolara ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Entina hanamafisana ny fitantanana ny Faritra arovana (AP) any Masoala io vola io. Nomarihina ny 9 jona 2023 teo, ny faha-20 taona ny nananganana ny valan-javaboahary Masoala Kely any Soisa, natao mitovy endrika amin’ny AP Masoala eto amintsika.
Nandray ity taratasim-bola ity tany Zurich ny minisitra Vina Marie-Orléa, izay nanatrika izao faha-20 taona ny valanjavaboahary Masoala Kely izao.
Fitaratr’i Madagasikara i Masoala Kely
Manampy ireo, notolorana fanampiana ara-bola mitentina 15.000 dolara koa Ratelolahy Félix, ho fankasitrahana azy amin’ny ezaka fambolen-kazolehibe nataony any Masoala.
Iray amin’nyfaritra telo maneran-tany manankarena indrindra amin’ny karazan-javamananaina ao aminy ny any Masoala. Zava-dehibe ity toerana ity satria fitaratr’i Madagasikara sady mampahafantatra antsika eo imason’izao tontolo izao. Mandray anjara feno amin’ny fampitaovana sy fanampiana ara-bola ho fiarovana sy fitantanana maharitra ny AP any Masoala ny Zoo de Zurich, mitantana ny Masoala Kely.
Miara-miasa akaiky koa ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd) sy ny Wildelife Conservation Society (WCS).
Njaka A.