« Nampiakarina mpanakanto an-tsehatra ihany koa no niantombohako », hoy ny fitantaran’i Erick Manana matetika… Antony iray iarahany miasa amin’ireo tanora mpanakanto io, indrindra isaky ny mandalo manao fampisehoana an-tanindrazana izy.
Niavaka indrindra tamin’ny seho izay nataony teto, nandritra ny 45 taona niakarany an-tsehatra, izay niseho tetsy amin’ny CCesca Antanimena, ny sabotsy tolakandro teo. Nahazo aina vao ireo hiran’i Erick Manana, raha izay no mahafintina azy. Nitondra ny talentany ry Ralah Trio, nahitana an’i Tsanta teo amin’ny vata maroafitsoka, zavamaneno tsofina, gitara ary marovany. Teo koa i Titan teo amin’ny amponga maroanaka ary i Ranto teo amin’ny gitara beso.
Nivelatra ny mozika, ary noraisin’ny mpankafy tsara ny fanampiny nentin’ireto tanora manan-talenta ireto. Mpiangaly ny jazz ry zalahy, saingy mahafehy ny mozika rehetra. Niova loko kely ireo hiran’i Erick Manana izay nahazatra ny sofina tamin’ny feon-gitara.
Famaranana ny fihodinana izay nataon’i Erick Manana sy ny Ralah Trio tany ivelany, nandritra ny 3 volana iny seho iny. Fanombohan’ny tohiny koa anefa, satria fantatra fa nahatontosa rakikira miaraka izy ireo, entiny mikatsaka ny tsenan’ny mozika indray manomboka eto.
Nisongadina koa ny tovovavy
Nifandanja tanteraka ny seho… Raha toa ka ry Ralah Trio no nampahafantarina tany am-boalohany, nanasa an’ireo tovovavy mpanakanto izay hitany fa manan-talenta amin’izao fotoana izao i Erick Manana. Anisan’ireny i Voara, ao amin’ny tarika Fangia Kalo Gasy. Tany amin’ny faha-10 taonany dia efa nampiakarin’i Eric an-tsehatra izy, ary izao mitohy izao izany. Teo koa i Vanintsoa Ikala Vazo, nandrotsy tamin’ny valiha sy ny feony miavaka. Tsy ambaka an’izay ary tena nankasitrahan’ny mpijery ihany koa i Manou Radonason sy ny gitara besony. Toraka izany i Tahiana Carine sy ny kabaosiny. Niarahan’izy ireo niredona ho famaranana ny «Ry Iarivo tsy foiko», nampientanentana ireo mpankafy mozika nameno ny efitranon’ny CCesca…
Zo ny Aina