Halatra taova : Tovolahy iray nisy naka ny voamasony roa

Nampihoron-koditra! Tovolahy iray no nisy naka an-keriny, ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Tsiandamba kaominina ambanivohitr’i Tsifota Toliara II.

Nalain’ireo nahavanon-doza ny voamasony roa ka naratra mafy izy. Raha ny tatitra nampitain’ireo nahita ny zava-misy tany an-toerana, teny an-dalana hamangy ny fianakaviany any Antseva no nentin’ireo olon-dratsy tany anaty ala. Nilaza izy fa niezaka nanohitra ireo mpangalatra taova saingy nokapain’ireo jiolahy ny famaky ny hatony sy ny tanany. Taorian’izay, nesorin’ireo ny masony roa. Telo andro nivezivezy tao anaty kiri­hitr’ala ity tovolahy niha­ram-boina saingy tsy nahita lalana nivoahana. Ny alakamisy teo kosa izy vao tonga tao amin’ny fokontany Antseva ka ireo fokonolona no nampilaza ny fianakaviany. Nentina na­monjy hopitalibe Toliara avy hatrany izy ka manaraka fitsaboana. Fa ankizilahy iray koa hita faty tsy nisy maso sy lela koa tao Masoarivo Atsinanana Belo Tsiribihina. Hatreto aloha tsy fantatra mazava izay tompon’antoka tamin’izao vonoan’olona feno habibiana izao. Mihorohoro indray ny mponina amin’iny faritra Atsimo iny satria mirongatra indray ny halatra taova. Tsy mianona amin’ireo halatra zaza varira intsony fa na ireo olon-tsotra aza mitondra faisana koa.

Jean Claude

Partager sur: