Hazalambo: dahalo iray azo sambo-belona, omby 200 tafaverina

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny iray tamin’ireo dahalo niaraka tamin’ny basy niampy ireo omby 200 nangalarin’izy ireo, tao Andavarary ambony, distrikan’Analalava, ny faran’ny herinandro teo. Anatin’ny hetsika famongorana ireo mpangalatr’omby ao amin’ny faritra Sofia, nanao be midina ny zandary notarihin’ny kaomandin’ny vondro-tobim-paritra ao an-toerana. Nanao fisafoana ireo kizo malaza ratsy ho fieren’ny dahalo, nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy ny fokonolona sy ny zandary. Sarona ny dahalo enin-dahy izay nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika. Raikitra ny fifanenjehana ka tratra ny iray tamin’ireo mpangalatr’omby. Tafapori­tsa­ka kosa ireo namany dimy hafa. Nahitana basy lava iray niampy bala teo amin’ny toerana niafenan’ireo dahalo. Atao famotorana eny anivon’ny zandary ity dahalo iray voasambotra ity. Naiditra am-balam-pamonjana ireo omby an-jatony tafaverina. Mitohy ny fikarohana ireo dahalo nandositra. Ankoatr’io, no­samborina koa ny lehilahy iray mpanampatra fahefana amin’ny alalan’ny dina ao an-toerana. Hosorany sakay ary tsy maintsy mandoa vola mi­tetina 400.000 Ar ho saran’ny dina ireo izay tratra. Tsy nahazo fankatoavana tamin’ny fitsarana anefa izany ka antony nisamborana io lehilahy io.

Tsiferana R.

Partager sur: