Kiaka-30 taona : tonga maro ireo mpankafy ny tarika

Tontosa omaly, teny An­tsa­hamanitra, ny fampisehoana niarahana tamin’ny tarika Kiaka. Seho niavaka no natolotry ny tarika ny mpankafy azy sy nentiny nanome fahafaham-po azy ireo. Nampiavaka ity fampisehoana ity ihany koa ny fanotronan’ny taranaky ny tarika. Mbola tsy lefy laza fa mbola manana ny maha izy azy ny tarika na eo aza ny fivoarana sy ny fandrosoan’ny mozika eto Madagasikara.
Nifanome fotoana teny amin’ny kianjan’Antsa­hama­nitra ny mpankafy ny tarika. Tsy niova fa mbola ny tarika Kiaka, nahafantarana azy hatramin’izay ihany no nanome fahafaham-po ny mpankafy azy. Nanakoako teny ny hira “Andro masina” sy ny “Atolotro anao” ary ny “Aza omena tsiny”…, niaraka tamin’ireo hira nahafantarana ny tarika nandritra izay 30 taona nisiany izay.
Ankoatra izay, niray sehatra tamin’ireto tarika anisan’ny sangany eo amin’ny tontolon’ ny rock ireto ny taranany. Endri-tsehatra anisan’ny nampiavaka ity fampisehoana ity.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: