Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023): naverina ny tae-kwon-do sy ny kick-boxing

Araka ny lahatsoratra nivoaka tamin’ny gazety Week-end, omaly alahady, tatsy La Réunion, averina ho anisan’ireo taranja hifaninanana ny Tae-kwon-do sy ny kick-boxing. Nisy ny fanerena nataon’ireo firenena mpikambana, ka nahatonga ny komity iraisam-pirenen’ny lalao (CIJ), niverina tamin’ny fanapahan-keviny. Raha tsiahivina, nahena ho 12 ny isan’ireo taranja hiadiana medaly volamena, amin’ity andiany faha-11 ity. Fifani­nanana hatao eto Mada­gasikara, ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao. Etsy ankilany, voalaza fa tsy maintsy hisy taranja iraisana miala raha toa ka misy miditra. Mi­andry ny fanambarana ofisialy sisa ny rehetra.
Mandra-piandry izany, tontosa omaly, tetsy amin’ ny Kianja mitafon’ Anko­­rondrano, ny fiadiana ny amboaran’ny masoivohon’i Korea, taranja tae-kwon-do. Nanjakan’ Ana­la­­manga ny fifaninanana. Voahosotra ho mpikatroka, vehivavy, mendrika, i Gra­cia (Dynamic Anala­man­ga) ary i Nelson (ATF Antsi­nanana), teo amin’ny lehilahy. Naha­tratra 445 ireo mpandray anjara, avy amin’ny ligy efatra, Ana­la­man­ga, Atsi­nanana, Vaki­nan­karatra ary Betsi­boka.

Tompondaka

Partager sur: