Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra, nahazo ny amboaran’ny “Ligue des Champions” (LDC) 2023, voalohany ho azy, ny Manchester City, Anglisy. Lavon’izy ireo, tamin’ ny isa 1 no ho 0, ny ekipa italianina, Inter Milan, nandritra ny lalao famaranana natao tany Istanbul, ny sabotsy 10 jona lasa teo.
Niady tanteraka ny fihaonan’ny roa tonta, nisaraka ady sahala tsy misy nitoko izy ireo, nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Teo amin’ny fe-potoana faharoa, nahatafiditra baolina tokana i Rodri, ny minitra faha-69, nahatafavoaka ny Anglisy ho mpandresy, na dia niezaka mafy aza ny Italianina nanenjika isa. Araka izany, lavo teo amin’ny dingan’ny famaranana avokoa ny ekipa italianina rehetra, ho an’ ny sehatra eoropeanina. Anisan’izany ny Fiorentina, tamin’ny “Conference League” sy ny AS Roma, teo amin’ny “Europa League” ary ny Inter Milan, nandritra ny “Ligue des Champions”.
Fitia
(Mpianatra asa)