Tokony ho notontosaina omaly, ilay seho tolo-tanana ho an’i Anja… Indrisy, hafa ny lahatra, ka nodimandry ny sabotsy teo i Anja Andriantiana. Fantatry ny maro eo amin’ny tontolon’ny filatroana, amin’ny maha tomponandraikitra voalohany ao amin’ ny Agence Lolita azy, izy.
Ny voalohandohan’ny taona 2022 no nahafantarana voalohany fa misy homamiadana i Anja. Avy hatrany dia niatrika ny dingana rehetra tamin’ny fitsaboana izy, ary nanana fanantenana hatrany ny ho sitrana. Voatery niato kely tamin’ny asany, kanefa nampanantena fa hiverina rehefa tokony ho sitrana ny volana oktobra 2022… Nihombo anefa ilay aretina, ka efa sahirana ny mpitsabo eto an-toerana.
Nisy ny fiaraha-mientan’ ireo naman’i Anja anatin’ny tontolon’ny fikarakarana hetsika ara-javakanto sy fanatanjahantena, mba hanampiana azy amin’ny tohin’ny fitsaboana. Nanam-pikasana ny handefa azy hanohy ny fitsaboana any ivelany izy ireo, ka nikarakara hetsika ho tolo-tanana, saingy lasa nialohan’ ny fotoana i Anja…
Tsiahivina fa ankoatra ny tontolon’ny filatroana, fantatra teo amin’ny sehatra maro, toa ny saripika, ny “bras de fer”, ny fikarakarana hetsika, efa mpitsara ny fandaharana “kopi kole”, sns i Anja.
Nangonin’i Zo ny Aina