Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray tetsy Ambodiafontsy anatin’ny lalam-pirenena voalohany, omaly maraina.
Fiaran’olon-tsotra iray nidona tamin’ny sisin-dalana ka nivadika vokatry ny fandehanana mafy, omaly maraina tamin’ny 4 ora sy sasany. Avy any Ampitatafika nikasa hihazo an’i Malaza ity fiara ity. « Nifanena tamin’ny fiara iray izy. Taratry ny jiron’ilay fiara io ny mason’ilay mpamily ary niampy ny fandehana mafy », hoy ny fanazavan’ny zandary nanao famotorana. Vokany, tsy voafehin’ilay mpamily intsony ny familiana ka nifatratra tamin’ny sisin-dalana. Nivadibadika, nijanona metatra vitsy teo afovoan’ny arabe io fiara tra-doza io. Naratra ny mpamily saingy tsy nisy nahiana ny ainy. “Izy irery no tao anaty fiara. Voadona ny lamosiny saingy tsy misy atahorana ny fahasalamany”, araka ny fanamafisan’ny zandary. Raha tsiahivina, vao namono olona, tapa-bolana lasa, teo amin’ity lalana ity. Vehivavy iray avy nanatitra sakafo ho an’ny reniny marary tany amin’ny hopitaly no voafaokan’ny fiara tampoka. Maty tsy tra-drano, tsy hita popoka ilay fiara nandona azy.
Taxi-be nifanenjika
Ankoatra io, vokatry ny fandehanana mafy ihany, taxi-be iray nifanenjika tamin’ny namany nandratra olona roa sy nandona moto roa, tetsy Soanierana, afakomaly. Vao ny 8 jona teo, taxi-be iray tapaka hisatra ihany koa nahafaty mpitondra moto iray tetsy Avaradoha. Manoloana ny tranga toy izao, hentitra amin’ny fampiharan-dalàna ho an’ireo minia tsy manaja ny lalàn’ny fifamoivoizana ny mpitandro filaminana, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra misahana ny fitsarana fiarakodia. «Midina ifotony izahay eto anivon’ny DGSR manara-maso ireny fiara ireny», hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ io sampana io, ny kapiteny Jacques Didier.
Tsiferana R.