Seho tokana nataon’i Gims : afa-po ny rehetra tao anatin’ny fampisehoana

Notanterahina teny amin’ ny Kianja Barea Mahamasina, ny sabotsy 10 jona 2023, ny fampisehoana nataon’i Gims, teto Madagasikara. Seho tokana notanterahin’ity vahiny mpanakanto ity ho an’ny mpankafy azy teto an-toerana iny natao teny Mahamasina iny. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nihaonan’ny mpahay kanto sy ny mpankafy azy . “Tratra hatrany amin’ny 70% ny tanjona. Mbola hitohy ny fikarakarana hetsika sahala amin’izao ho an’ny haikanto malagasy iray manontolo”, hoy i Niri­na­ri­velo Nathalie, mpikarakara.
Nifanome fotoana teny amin’ny Kianja Barea Ma­ha­masina ny mpankafy ny mozika an-tanan-dehibe, nandritra ny seho tokana nataon’i Gims, mpahay kanto vahiny teto Madagasikara. Notante­rahin’ ity vahiny mpahay kanto ity tokoa ny fampanantenana nataony ny mpankafy azy teto Madagasikara. Efa tamin’ny taona 2022 mantsy i Gims no saika hanao ity fampisehoana ity teto Madagasikara saingy tsy tanteraka izany noho ny antony manokana avy aminy. Afa-po tanteraka ny mpankafy azy teto Madagasikara. Ireo hira nampalaza azy sy tena ankafizin’ny mpankafy no nataony nanomezany fahafaham-po ny mpijery.
Niavaka sy nanome ny tsara indrindra avy amin’izy ireo ihany koa i Mr Sayda sy Ceasar ary Nael. Izy ireo izay mpahay kanto malagasy niray sehatra tamin’i Gims nandritra iny fampisehoana iny.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: