Tsy mety fay mihitsy ! Tratran’ny zandary mpanao sakana amin’ny lalam-pirenena RN4 teo Mahitsy, ny sabotsy teo, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana miharo halatra. Nohamafisin’ny zandary fa jiolahy mpamerin-keloka izy ity. Nanao ny asa ratsiny tao Nandihizana, fokontany Tsarahonenana, kaominina Mahitsy, ny zoma teo izy. Fitaovan-dakozia marobe no tratra tany aminy. Rehefa avy nanao ny asa ratsiny dia nandray taksiborosy saika hihazo ny renivohitra miaraka amin’ireo entana halatra. Tsy nampoiziny ny fisian’ireo zandary manao sakana izay efa nahazo angom-baovao momba ny fisiany tao anaty taksiborosy. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny zandary. Vao nivoaka ny fonja vao haingana ity jiolahy ity, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary.
Jean Claude