Ala eto Madagasikara : misy 95 % ny biby mandady, 89 % ny zavamaniry maneran-tany

Manana karazam-biby sy zava-maniry maro mampiavaka azy i Madagasikara . Manodidina ny 95 % amin’ireo biby mandady, 89 % amin’ny zavamaniry maneran-tany dia tsy hita afa-tsy eto amintsika, hoy ny WWF. Miha simba anefa ny tontolo ahitana azy ireo.

Miavaka i Mada­gasi­kara raha ny harena sy zava-mananaina anaty ala. Manana ny mampiavaka azy saingy mitaky ezaka lehibe ny fiarovana izany. Tokony ho laharam-pahamehana, araka ny tatitry ny fikambanana miaro izany. Mitombo hatrany ny faharavan’ny ala sy ny biby amam-borona izay mampiavaka ny isam-paritra noho ny fahantrana mahazo laka eny anivon’ny fiarahamonina.
Anisan’ny miavaka, ohatra, ny ala feno tsilo any Atsimo Andrefana, manaraka ny reniranon’i Mangoky. Raha ny fanadihadiana natao, betsaka ny mampiavaka azy, arakaraka ny toerana ahitana azy : eny amin’ny fasika, tampon-tanety na tendrombohitra. Hita any an-toerana ny Von­tsira, izay tsy misy afa-tsy eto Madagasikara. Manginy fotsiny ny maha toeram-ponenana voatokana ho an’ny karazam-borona miisa 160 ny ala misy karazana tsilo. Nisy ny fanadihadiana “la vie au Coeur des épines’’ nataon’ny WWF, nahafahana nanamarina izany. Hita any an-toerana koa ireo biby mandady, toy ny sokatra.
Efa misy loza mihatra anefa amin’izany karazana ala sy ny harena ao aminy izany ankehitriny.

Mihena ny karazam-biby
Manana ny mampiavaka azy koa ny ala any amin’ny faritra Atsinanana, misy karazam-biby sy zava-maniry ma­ro, saingy mihena hatrany ny karazany noho ny fahapotehin’ny tontolo iainana. Ho fisorohana izany, omena andraikitra mba hitantana izany ny mponina any ifotony. Misy fiantraikany ka tandindonin-doza ny fiveloman’izy ireo, toy ny fahasimban’ny voly lavanila, rehefa simba ny ala .
Anisan’ny loza mitatao ho an’ny fiarahamonina ny faharavana tsikelikely ny ala honko (mangroves) any andrefana, izay ahitana vokatra an-dranomasina sy vorona betsaka.
Ilàna paikady maharitra ny fiarovana ny honko, indrindra any amin’ny faritra Menabe sy Diana. Ao koa ireo karazan-kazo amoron-drano sy vaventy, ohatra, ny madiro. Noho ny hamandoana, betsaka ny hazo mitana ny raviny maitso mandritra ny taona
Betsaka amin’ny karazan-gidro no miaina anaty ala, indrindra ny Makis. Faritra fialofan’ireo biby na amin’ny fotoana maina, satria vaventy ny hazo sady sakafo ny ravina izay misy mandavan-taona. Manampy betsaka ny biby ny ala manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Atahorana hanapotika ireo karazan-kazo ireo ny fanaovana saribao, toy ny any Amoron’i Onilahy, atsimon’ny Nosy. Miasa any an-toerana ny mpiara-miombon’antoka ka mametraka paikady fiarovana ny ala miaraka amin’ny fokonolona. Noho izay fiaraha-miasa izay, mihena ny ala ripaka any Amoron’i Onilahy, nanomboka ny taona 2019.

Partager sur: