Hiavaka noho ny tamin’ny andiany teo aloha. Hotanan’ny Alliance Française hatrany kosa ny lalantsain’ny “Fetin’ny Mozika”. Fizarana mozika maimaimpoana, fampiarahana mpanakanto kalaza sy vao misondrotra, sns.
21 jona, “Fetin’ny Mozika”. Efa tafapetraka eto Madagasikara izy ity, ary nomarihina nandritra ny taona maro. Anisan’ny nikarakara tsy tapaka ny “Fetin’ny Mozika”, manakaiky ireo fanamarihana any ivelany ny Alliance Française sy ny sampandraharahany manerana ny Nosy.
Ho an’ny AFT eto Antanarivo manokana, tsy andro iray ihany fa herinandro no hanamarihana izany, ary hetsika maromaro no nomanina.
Efa nanomboka tamin’ny herinandro ny fiantsoana ho an’ireo liana hifaninana handihy. Ny mampiavaka azy, hiran’ireo mpanakanto malaza telo, izay nasaina manokana amin’ny fampisehoana lehibe no handihizana. Fantatra mantsy fa hanafana ny seho izay hatao ny sabotsy 17 jona izao, ry Rim Ka, Lion Hill ary LJo. Mpanakanto tanora be mpankafy indrindra amin’izao fotoana ireto nofantenana ireto. Manana hatramin’ny anio ireo te hifaninana, handefasany ny “video” ao amin’ny Facebook. Ireo be mpitia indrindra no hiaraka handihy an-tsehatra amin’ireo mpanakanto ireo.
Hiova sy hivelatra kokoa noho ny fanao isan-taona ny hetsika amin’ity. Voatana hatrany ny “Carnaval Mozikara”, izay hiainga eny Mandriamena, handalo an’Andoharanofotsy sy Tanjombato ka hifarana eny amin’ny kianja Tongarivo Tanjombato. Eny indray mantsy ny sehatra goavana no hatao amin’ity. Ankoatra ny fampisehoan’i Rim Ka, Lion Hill ary LJo, nisy koa ny fifaninanana “cover” ny hiran’izy ireo, ka hiaka-tsehatra amin’io koa izay voafantina eo.
Amin’ny maha “Fetin’ny Mozika” azy, tazomina hatrany ny lalantsaina fampiarahana an-sehatra ireo mpanakanto vao misondrotra sy ireo efa kalaza. Araka izany, hanokatra ny seho ireo nandresy tamin’ny fifaninanana “En chanson”, nokarakarain’ny AFT ny volana marsa lasa teo. Ahitana an’i Kanto, Odon ary Ilaina. Ny DJ Sandix kosa no hiantoka ny fanafanana ny fotoana eny anelanelan’ny seho eny.
Koa satria ny 21 jona ny tena “Fetin’ny Mozika”, hisy fifaninana “Questions pour les mélomanes”, izay hatao eny amin’ny AFT Andavamamba, manomboka amin’ny 2 ora. Mbola hitohy ny 23 jona, amin’ny alalan’ny fanomezana sehatra ireo mpankafy mihira kanefa tsy matihanina.
Zo ny Aina