Hahatratra 63.000t ny siramamy hovokarin’ny orinasa Sucoma Ambilobe amin’ity taona ity. Nisokatra nanomboka ny zoma 2 jona teo ny taom-pamokarana ao amin’ity orinasa ity. Nanomboka ny 5 jona teo kosa, nivarotra izany any amin’ireo mpamongady manerana ny Nosy ny Sucoma. Mamaha ny antsasa-manilan’ny filan’ny mponina ity famokarana ity ary vidiana 172.000Ar ny kitapo iray. Tonga tany an-toerana nanara-maso izany ny talen’ny varotra anatiny sy ny talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostira, ny varotra sy ny fanjifana avy ao amin’ny faritra Diana. Araka izany, hanara-maso akaiky ny fitsinjarana ny vokatra ireto tomponandraikitra ireto mba hialana amin’ny mety ho fanararaotana. Hampanarahana ny dingana sy ny fepetra takin’ny lalàn’ny fitsinjarana ity vokatra ity hiarovana ny mpanjifa.
Henintsoa Hani