Ankadikely: jiolahy lavo teo am-pianihana tamboho

Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny, jiolahy iray maty voatifitry ny zandary teo am-pianihana tamboho tao amin’ny fokontany An­dafiavaratra, kaominina An­kadikely, omaly maraina. Efa tafiditra tao anatin’ny tanàna nokasain’izy ireo ho robaina ny roa tamin’ireo olon-dratsy, tamin’ny 2 ora maraina.

Mbola nianika ny fefy kosa ny iray namany. Nam­pandre ny mpitandro filaminana anefa ny tompon-trano. Poa toy izay, tonga teo amin’ ny toerana voatondro ny zandary. Raikitra ny fifandonana tamin’ireo olon-dratsy. Nitondra fitaovam-piadiana ireto farany ka tsy nanaiky ho samborina. Vo­kany, lavo teo am-piakarana ny tamboho ny jiolahy iray. Tafa­poritsaka tao anaty haizina ireo namany roa lahy. Tsy nisy voaroba kosa tao amin’ ilay tanàna.

Tsiferana R.

Partager sur: