Sarona tao anaty taksiborosy ny basy efatra nentina lehilahy iray tao Antsohihy, omaly tamin’ny 8 ora maraina. Naharay angom-baovao tamina tsara sitrapo, nidina ifotony nanao fanamarinam-baovao ny mpitandro filaminana momba io mpivarotra fitaovam-piadiana io.
Nikasa hihazo an’Antonibe ilay lehilahy. Nigadona teo amin’ny fiantsonan’ ny taksiborosy ny mpitandro filaminana saingy mbola nisakafo avokoa ireo mpandeha. Niverina tao anatin’ny fiara, nosavaina ireo entana rehetra nentin’io fiara mpitatitra io. Tsikaritry ny mpandeha fa nisy olona iray niaraka tamin’izy ireo tsy niverina intsony tao anatin’ny fiara. Tsy nisy nilaza ho tompon’ny kitapo iray anisan’ny voasava tao anaty fiara koa ireo mpandeha.
Tratra tao anatin’io ny basy efatra vita gasy. Karohina ilay lehilahy nitondra azy ireo.
Tsiferana R.