Baolina kitra : vaky ny ady eo amin’ny Uficasm sy ny federasiona (FMF)

Tonga amin’ny tsontsorimamba isarahana, ankehitriny, ny Uficasm sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Vaky noho ny resa-bola ny ady.

Tsy takona afenina intsony ny disadisa misy eo amin’ny fikambanana Uficasm, mikarakara ny Barea U23 sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Mifanasa vangy amin’ny tambajotran-tserasera ny roa tonta. Ny sabotsy lasa teo, nanambara ny Uficasm fa tsy afaka mamonjy ny fampivondronana any Frantsa ireo mpilalao efatra mirahalahy, avy eto Madagasikara, i Rayan Hery, i Mamisoa, i Andy ary i Claude. Izy ireo izay tokony hiatrika lalao hifanandrinana amin’i La Réunion, ao anatin’ny datin’ny Fifa.

“Tsy omen’ny federasiona ny antontan-taratasy tokony hikarakarana ny visa ho azy ireo”, hoy ny filazana. Na­nambana ny hanapaka ny fiaraha-miasa amin’ity rafitra mahefa ny baolina kitra eto Madagasikara ity izy ireo, amin’izany.

Tsy niandry ela, namaly ny Uficasm ry zareo ao amin’ny federasiona, omaly. Na tsy novantaniny tamin’ny fanambarana nataony, fantatra fa resa-bola ny fototry ny olana eo amin’izy ireo. Nisy ny fanadihadiana natao. Fantatra fa be loatra ny trosa tsy voaefan’ny Uficasm nandritra ny lalao fifanintsanana ho an’ny “Can” sokajy U23. Anisan’ izany ny karaman’ny mpitandro filaminana, ny hofan’ny hotely nipetrahan’ny ekipan’i Seychelles sy ny hafa.
Manoloana izany, tsy mahafantatra ny Uficasm ireo fikambanana sy olona tompon-trosa. Any amin’ny federasiona izy ireo no mitaky ny volabeny “Manaratsy ny sarin’ny federasiona izany, izay tsy afa-misaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka ka voatery hampitsahatra ny fiaraha-miasa”, hoy ny filazana.

Tompondaka

Partager sur: