Hotanterahina ny alahady 18 jona, eny amin’ny Parking Orange Tour Redland, ny fifaninanana “Alley Hoop 3×3”, taranja basikety, natokana ho an’ny latsaky ny 20 taona. Andiany faharoa amin’ny “Alley Hoop”, taona 2023, ity fifaninanana iarahan’ny Orange sy ny RDJ mikarakara ity no sady tafiditra amin’ny faha-20 taonan’ny RDJ ihany koa. Efa feno ny toerana ho an’ny mpifaninana sokajy lehilahy, izay hahitana ekipa miisa 32, raha toa ka toerana vitsy sisa no tsy feno ho an’ny sokajy vehivavy. Tsy misy ny vidim-pidirana mandritra ny fifaninanana. Ankoatra ny lalao, hisy ny fifaninanana maro isan-karazany, toy ny «Street Basket 3×3», «Show Dribble», «tir à 3 points» ary ny «Lancer franc» mitampina maso. Hiavaka, araka izany, ny «Alley Hoop 3×3» ho an’ny U20 lahy sy vavy, izay fampanantenana nataon’ny mpikarakara nandritra ny fifaninanana farany, natao tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Tsiahivina, ny volana marsa lasa teo ny tapany voalohany amin’ny « Alley Hoop », izay nisokatra tamin’ny sokajy U17, U23 ary senior lahy sy vavy. Mpilalao maherin’ny 700 no nandray anjara nandritra izany. Tsara ny manamarika fa mandray anjara biriky lehibe amin’ity fifaninanana ity ihany koa ny federasiona malagasin’ny basikety.
Mi.Raz