Tsy mety tapitra ny andro ratsy, indrindra ny rivodoza mateti-pihavy isan-taona, ohatra, Batsirai, Cheneso, Freddy. Misy fiantraikany ratsy maro amin’ny morontsiraka izany. Anisan’ny fahavoazana mitohy lavareny ny haintany any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Tsy ampy ny orana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Haintany maharitra ela indrindra tao anatin’ny 40 taona, nanomboka ny 2021 mandraka ankehitriny. Vokany, mirongatra ny tsy fahampian-tsakafo.
Ny tatitra momba ny toetr’andro navoaka farany, tamin’ny marsa 2023 teo, manambara hatrany ny loza mihatra noho ny fiakatry ny hafanàna 1,5`C. Miainga avy amin’izany tatitra ara-tsiansa faha-6 izany no anisan’ny tombana hatao amin’ny COP-28, any Dubaï, amin’ny faran’ny taona 2023. Ampahalalana dieny izao fa ny fiakatry ny hafanàna dia mampikorontana ny toetr’andro mandavantaona. Mety mitranga amin’izany, toy ny eto Madagasikara, ny haintany maharitra, orana mateti-pihavy na mandritra ny vanim-potoana ririnina.
Manana anjara toerana lehibe ny zava-boahary manoloana ny fikorontanan’ny toetr’andro.
Ny teny navoaka voalohany « écosystème » tamin’ny 1935, manambara ny fifandraisan’ny zava-boahary sy ny tontolo misy azy. Avy amin’izany miaro amin’ny loza isan-karazany, toy ny tondradrano, haintany, fihotsahan’ny tany, fiparitahan’ny « carbone ». Io « écosystème » io koa no mampanjary ny toetr’andro.
Ny asan’olombelona ihany no manimba ny toetr’andro sy mampiakatra ny hafanàna. Mahatonga izany ny fitrandrahana tsy misy fetra ny ala, miampy ny fitomboan’ny orinasa, manimba ny tontolo iainana, antony iray mampiakatra ny hafanàna sy mampitombo ny « carbone ».
Ny fahantrana sy ny fifindra-monina
Ny fahantrana sy ny fifindra-monina, anisan’ny antony tsy mahasakana manimba ny tontolo iainana eto Madagasikara. Manampy izany ny kolikoly mifandray amin’ny fahantrana, fitantanana tsy manjary sy tsy fahampiana. Haingam-piavy ny faharavan’ny tontolo iainana raha tsy misy ny firindran’asa sy fiaraha-miasa eo amin’ny tsirairay sy ny fikambanana. Mila amam-polo taona maro mifandimby ny manarina ny zava-boahary simba eto Madagasikara tato anatin’ny 20 taona farany.