Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny famaranana ilay fifaninanan-kira bagasy nokarakarain’ny Sehatra Bagasy nampitondraina ny lohateny « Tsara hira tsara mozika ». Fifaninanana andiany voalohany izy ity, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. « Nody ventiny ny rano nantsakaina ka nahazoanay ny laharana voalohany izay mandrisika anay hiroso hatrany », hoy kosa ny Dimy sy Fito Tarika. Raha tsiahivina, tanora no mandrafitra ity tarika ity ka ny ba gasy no hiangalian’izy ireo.
Amin’ny ankapobeny, nezahin’ny mpifaninana tsirairay (na ny tarika tsirairay), notazonina fatratra ilay aingam-panahy namoronana ny hira nokaloin’izy ireo. Anisan’izany ny fandrindrana sy ny feon-javamaneno ary ny feon’ny mpihira.
Manana ny hoaviny mamiratra ny ba gasy raha maro ny tanora sahy sy manam-pahavononana hikalo ity karazan-gadona na karazan-kira ity.
HaRy Razafindrakoto