Kirizim-pitokisana lalina

Mangingina ny tanàna, tsy hay mazava izay fonosiny. Tsy mbola mamerovero toy ny mahazatra ny asaramanitra. Tsipoa­poaka manako tsindraindray no manamarika fa manakaiky ny fetin’ny 26 jona. Ilay fananganan-tsaina isan-tokantrano tsy hanaovana resabe intsony, efa toy ny tsy misy. Zary very tante­raka ny fitiavan-tanindrazana sy ny fahaiza-miaina mifanaraka amin’izany. Nofinofy sisa izany hoe: vao mipaika ny vola jona, mirenty eny ambaravarankely, na eny amin’ny tapenaky ny tafon-trano ny saina, mirenty ny loko fotsy, mena, maitso. Tsy mampihontsona ny olona intsony ny fanentanana samihafa. Tsy misy miraharaha izay serasera mandeha, tsy to teny intsony ny manampahefana miandraikitra izany.
Mifanindran-dalana amin’izany, tsy hita be ihany ny drafitra politikan’ireo mpilalao izany. Miovaova ny vaovao, tsy fantatra intsony ny tena marina. Mila fitsipi-dalao mazava anefa ny vahoa­ka amin’izay zava-hiseho manaraka eo. Tsy ampy handrebi­rebena saim-bahoaka intsony ny ranty sandoka sy doka feno fitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera. Tsy mahataitra va­hoaka ny kivorivory raha tsy misy tambiny, na dia sakafo indray mandrotsaka fotsiny aza. Tsy mpanohitra, tsy mpitondra, samy efa kapila goaka avokoa eo imason’ny sarambabem-bahoa­ka. Hany tsy misy izay mahasarika olona amin-kitsi-po fa tsy maintsy misy ambadika hatrany. Dia toy izany hatrany ny fivoaran’ny tontolo politika eto Madagasikara.
Miandrandra fifidianana ny rehetra, ankehitriny. Mazava toy ny karatr’i Naivo anefa ny kajikajy avy amin’ny hery velona rehetra. Tsy misy fifampitokisana intsony. Hatramin’ny rafitra tokony handamina aza mbola iharan’ny kiana mamaivay. Tsy misy mankasitraka ny asa ataon’ny vaomiera manokana, toy ny Ceni. Ny mpanohitra izay mampiaka-peo andro aman’alina amin’ny tsy maha ara-dalàna ny lisitra ataony. Mitsipaka marin­drano ny fiampangana anefa ny ceni ary manamafy fa ara-dalàna avokoa ny zavatra ataony.
Amin’ny ankapobeny, misedra kirizim-pitokisana isika eto Madagasikara. Vokatry ny fitiavan-tena avokoa izany. Hany ka vao misy fihetsika na fanapahan-kevitra iray dia efa fahamailo­ana sy fanakarana izay ao ambadika no lasa aloha. Mahamaha­na avokoa ny rehetra. Raha vao raharaham-pifidianana anefa dia zava-dehibe ny fifampitokisana. Efa sarotsarotra rahateo ny hangala-bato eny anivon’ny rafitra manokana, toy ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana sy ny Ceni, manoloana ny fivoaran’ny teknolojia. Tsy mahomby intsony ny “fika masiso”, toy ny fanapahan-jiro, ireny. Vao mandeha ny fanisam-bato, efa mihatrana ny finday sy ny fakantsary. Efa mihena ny herijikan’ny mpangala-bato nahazatra. Ny ahiahy anefa tsy hihavanana, ka samia mailo fotsiny! Avelao handeha ny fifidianana.

r.r

Partager sur: