Nitsidika ny « zone Franche industrielle » naorin’ny Groupe Filatex eny Ankadimbahoaka ny lehiben’ny FMI eto Madagasikara, Mokhtar Benlamine, ny alarobia lasa teo. Nankasitraka ny kalitao sy ny fanajana ireo fenitra izy na eo amin’ny asa ataon’ireo mpiasa na eo amin’ny fanorenana ny toeram-piasana izany. Toy izany koa eo amin’ny asa ataon’izy ireo momba ny tontolon’ny lamba. Nanamafy koa ny tale jeneralin’ny fadin-tseranana izay nitsidika tao amin’ny orinasa fa manana ny lanjany ny orinasa amin’ny fampiroboroboana ny fananan’asa. Araka izany, handray anjara amin’ny “Intex South Asia” hotanterahina ao Dhaka (Bangladesh) sy any Sri-Lanka ny Groupe Filatex. Hanandratra ny fahaiza-manao malagasy ary hampahafantatra ny fananganana fotodrafitrasa amin’ny refy 52 000m2 hanentanana ny vahiny mpandraharaha hisehatra amin’ny orinasa afakaba eto Madagasikara.
Jean Claude