Miaro mpanolana : reny niteraka naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja ny renin’ilay zazavavikely 12 taona sady voaolana no bevohokan’ny raikeliny. Naleon-dramatoa nikarakara ilay mpanolana any am-ponja toy izay ny zanany.

Nanaraka am-badiny, mamita sazy any am-ponja koa ny renin’ ilay zazavavikely 12 taona niharan’ny fanolanana tao Vatomandry, ka bevohokan’ ny raikeliny. Tsy fikarakarana an-janany no antony nam­pidirana am-ponja vonjimaika azy, fito andro taorian’ny nampidirana an-drangahy. Efa nomen’ny fampanoavana fahafahana vonjimaika izy ny 25 mey, mba ahafahany mikarakara ilay zanany lasibatra, kanefa tsy nandray ny andraikitra tandrify azy izy. Vokany, tsy maintsy nampanantsoin’ny fitsarana ka miandry ny fotoam-pitsarana miaraka any am-ponja izy mivady. Naleon’ilay renim-pianakaviana nikarakara ilay vadikeliny hatrany am-pigadrana fa namela ilay sombiniainy hiady irery.

Manoloana ny zava-niseho, noraisin’ny minisitry ny Mponina sy ny sampandraharahan’ny minisitera an-tanana ny fikarakarana ilay zazavavikely bevohoka. Nisy fotoana nentina nihazo an’i Toamasina ity lasibatra, nanaovana fanaraha-maso akaiky ny fahasalamany. Tsy maintsy naiditra hopitaly izy noho ny toe-batany mbola marefo sady kely taona. Nanomboka teo anefa, tsy nanaiky ny nanaraka ny za­nany hotsaboina ilay renim-pianakaviana.
Naleony nijanona tany Vatomandry, mba hikarakara ilay vadiny nigadra. “Noho ny tsy fifankahazoana teo amin’ilay renin’ny zaza lasibatra sy ireo mpikarakara azy, niakatra fampanoavana indray ilay ramatoa ny 2 jona”, hoy ny zandary kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra ao Vatomandry. “ Tsy nisy ny firaharahian’ilay reniny ny zanany naterany. Vokany, naiditra am-ponja koa ity renim-pianakaviana ity.”, hoy izy nanazava.
Mirongatra ny fanolanana

Saika manerana ny Nosy no mahazo vahana ny fanolanana. Tsy mifidy taona ny mpanolana, torak’izany ny lasibatr’izy ireny. Niakatra fampanoavana ny faran’ny herinandro teo, naiditra am-ponja vonjimaika ilay lehilahy nanolana zazavavy tao Antsohihy. Nandainga tao­na, efa lehibe fa tsy zaza, araka ny nambarany an’ireo mpampiasa azy, ity nanolan-jaza vao 8 taona monja ity. “Efa misimisy taona ihany izy fa tsy vao 16 taona raha ny endriny ivelany”, hoy ny fanazavan’ny zandary nanao famotorana. Mpiandry omby ao amin’ny ray aman-drenin’ ilay zazavavy, nanararaotra io zaza io hatrany ity lehilahy ity rehefa mamo toaka. Ny nenitoan’ilay zazavavy no nahatsikaritra fofona hafa­hafa tamin’ilay zaza. Voamarin’ny mpitsabo fa niharan’ny fanolanana tokoa izy, izay mbola mpianatra. Nosamborina avy hatrany ilay nahavanon-doza ny 5 jona lasa teo, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. Raha tsiahivina, tsy tao an-trano ny ray aman-drenin’ilay zaza ka nanatona mora ny fandriana ilay tovolahy nanolana. “Tsy tao an-trano tampoka ny ray aman-drenin’ny zaza, noho ny fitadiavana ka nanararaotra ilay zazalahy, ny alin’ny 9 mey hifoha 10 mey teo”, hoy ny fanazavan’ ny zandary, kaomandin’ny vondron-tobim-paritra ao Antsohihy.

Miteraka resabe

Manoalana ny tranga fanolanana nahazo ilay zazavavy 12 taona tao Vatoman­dry io, misy amin’ireo olon-tsotra mitaky ny handaniana ny lalàna ahafahana mampihatra ny fanalan-jaza enti-mitsabo na ny “Interruption Volontaire de Grossesse (IVG)”. “Afaka tsy mitaiza zaza ilay zaza izay mbola tsy ampy taona”, hoy ny sasany. Voararan’ny lalàna eto Ma­dagasikara anefa ny fampiharana io fanalan-jaza io. Etsy ankilany, afa-maina ha­trany ireo mpanolana araka ny tatitra eo anivon’ny fi­kambanana TAO (fikambanana manaitra ny tomponandraikitra manoloana ny ady fanolanan-jaza tsy ampy taona). Mananika ny 81%-n’ izy ireo dia afaka madiodio avokoa. Voafaritry ny andininy faha-332 amin’ny fehezan-dalàna fahamaizana (la­làna laharana faha 2000-021 tamin’ny 30.11.00), anefa ny fanolanana, raha ho an’ny eto Madagasikara. Tsy sahy mi­toroka ny ankamaroan’ireo iharan’ny fanolanana ka an­tony mampahazo vahana ireo mpanolana. “19 amin’ireo 100 iharan’ny fanolanana no sahy mitoroka”, hoy ny eo anivon’ity fikambanana ity.

Tsiferana R.

Partager sur: