Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tao Toamasina II, omaly maraina , tamin’ny 10 ora, amin’ny lalam-paritany avy eo Ivoloina mampifandray ny kaominina maro hatrany Mangabe. Tsy mifanalavitra ny tetezana iray vao vita no nitranga ny loza. Raha ny angom-baovao voaray avy any an-toerana, raim-pianakaviana nandeha bisikileta no notrongisin’ny moto ka maty tsy tra-drano. Niverina avy nitondra varotra tany Ivoloina ity niharam-boina ity ka hitodi-doha ho any Ambodiriana, kanjo izao tra-doza tampoka izao. Moto iray nandeha mafy ka tsy nahafehy intsony ny familiana ny mpitondra azy no nitrongy azy avy ao aoriana. Nianjera mafy tamin’ny godorao izy. Vokany, maty tsy tra-drano ilay raim-pianakaviana.
Sajo/J.C