Tetikasa Jofa Acte: hahena ny tahan’ny ankizy mitrandraka eladrano

Zaza aman’alina no miasa amin’ny fitrandrahana Mica na eladrano. Nisy, araka izany, ny tetikasa Acte, hanampiana sy hampihenana izay antontan’isa izay.

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy amin’ny Motel Anosy, ny tetikasa Acte (Agir Contre le travail des En­fants). Iandraiketan’ny Terre des hommes Madagascar sy ny save the children, izay vatsian’ny Vondrona eoropeanina vola. Miompana amin’ny fampitsaharana ny fampiasana zaza any amin’ny toeram-pitrandrahana eladrano ny tetikasa. “Manan-jo hisitraka ny zony ireo ankizy ary entanina ny rehetra hiady amin’ izany izay antony nanaovana ny tetikasa”, hoy ny tomponandraikitra. Tanjona ny hampihenana ny tahan’ny ankizy miasa amin’ireo sehatr’asa mamoehatra sy hisorohana mba tsy hahatafiditra azy ireo amin’izany.

47% ny ankizy 5 hatra­min’ny 17 taona miditra amin’ ny sehatry ny asa eto Mada­gasikara, raha ny tatitra na­voakan’ny Unicef , nandritra ny fanadihadiana nataon’izy ireo tamin’ny 2018. “Zaza aman’alina no miasa amin’ ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany any amin’ny karierana Mica”, raha ny fanazavana hatrany. “Tsy fidiny ny mahatonga ny ankamaroan’ny ankizy miasa any amin’ny karierana Mica fa noho ny fahantran’ny ray aman-dreniny”, hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa, Ndremana Philemon. Nilaza izy fa hoentin’ny ray aman-dreny any an-toerana ireo zaza noho ny tsy fisian’ny mpiahy azy ireo sy ny tsy fandriampahalemana eny an-tanàna. Nohamafisiny fa en­jana ny asa eny anivon’ny karierana mica. Miteraka aretina maro ho an’ny ankizy ihany koa vokatry ny vovoka. Manakorontana ihany koa ny fitomboan’izy ireo ara-batana.

Ezaka marolafy

Mitaky ezaka marolafy ny tetikasa, anisan’izany ny hanampiana ny ray aman-dreny hanana fotodrafitrasa mba tsy hiantehatra amin’ny fitrandrahana eladrano. “Ny fampiharana ny lalàna sy handrindrana ny ezaka tiana hatao iraha-miasa amin’ny fanjakana sy ny tomponanadraikitra isan-tsokajiny”, raha ny fanazavana hatrany. Ankoatra izay, hametrahana “club d’enfants” any an-toerana mba hanampiana ny ankizy. Homena fahalalana ihany koa ny ray aman-dreny.
Any amin’ny faritra Ano­sy, distrikan’i Taolagnaro, kaominina Ranopiso no tena hiasan’ny tetikasa izay maharitra telo taona.

MIno (mpianatra asa)

Partager sur: