Manana ny anjara toerany mampita ny loharanom-baovao mankany amin’ny sehatra iantefany, ny fanaovan-gazety. Anisan’izany ny lafiny siantifika, nahatonga ny mpanao gazety niaraka nanao atrikasa tamin’ireo mpahay siansa amin’ny lafiny tontolo iainana, tamin’ny alalan’ny tetikasa Varuna, ny 6 hatramin’ny 8 jona teo, tany Ampefy.
Sarotra ho an’ny besinimaro ny mahafantatra sy mifehy ny vaovao ara-tsiantifika, toy ny lafiny tontolo iainana, ohatra. Miezaka mamaha izany ny tetikasa Varuna, tanterahin’ny Foibe ara-toekarena sy ny etika ho an’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana eto Madagasikara (C3ED-M) ao anivon’ny Fakiolten’ny Toekarena, ny fitantanana ary ny sosiolojia (EGS) eny amin’ny Oniversite Antananarivo, sy ny Ivontoeram-pikarohana ho an’ny fikarohana frantsay (IRD).
Nampita ny fahaiza-manaony ireo mpikaroka siantifika amin’ny sehatry ny tontolo iainana. Toy ny tontolo manan’aina, ny rohy voahary, ny fiovan’ny toetr’andro, sns. Nojerena ny karazana voambolana siantifika manodidina ny tontolo iainana, nikarohana ny fomba ho azon’ny mpanao gazety ny mampita izany ho an’ny daholobe.
Nilaza ny sojaben’ny EGS, ny profesora Andriamahefazafy Fano, fa tanjona ny hahalalan’ny mpanao gazety ara-tontolo iainana ny fikarohana ataon’ny mpahay siansa, ny ahazoana ny dikany sy ny fonosiny, toy ny voambolana ara-toekarena amin’ny lafiny tontolo iainana, ohatra. Singanina amin’izany ny sandany ara-toekarena entin’ny tontolo iainana, raha amin’ny endriny ahitana azy hatramin’izay. Na koa ny sandany raha misy fiovana na fahasimbana, na fiovana, ny fivoaran’ny tontolon’ny rohy voahary vokatry ny fanovana ataon’ny olombelona, vokatry ny famokarana noho ny filàny, sns.
Mora raisin’ny daholobe
Anjaran’ny mpanao gazety indray no mampita ny fahalalana azony, amin’ny fomba tsotra sady ho mora raisin’ny daholobe, hatrany amin’ny mponina any ifotony. Satria ireto farany no voakasika voalohany manodidina ny tontolo voahary.
Anisan’ny mpampita vaovao, mamokatra horonantsary fohy, ao anatin’ny tetikasa Varuna, ny vondrona tanora mpianatra antsoina hoe e-Pop.
Njaka Andriantefiarinesy
Mamatsy vola ny tetikasa Varuna, ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana. Mandrindra azy ny Expertise France. Mandrindra ny tetikasa Varuna, mikasika ny siansa sy ny fifandraisany amin’ny daholobe, hisian’ny fitantanana ny rohy voahary ny IRD, miaraka miombon’antoka amin’ny C3ED-M ao amin’ny fakiolten’ny EGS.