Ankatoky ny fanadinana : maro ireo mpiadina tsy matoky tena

Midodododo manenjika ireo toerana fanaovana “cours” na famerenan-desona faramparany amin’izao ankatoky ny fanadinana izao, ireo tanora hiatrika ny fanadinana BEPC sy bakalorea. Antony ilàn’ny tanora tohana manokana ny tsy fahatokisan-tena, raha ny fanazavana nentin’ny mpa­mpianatra mpanabe. Miahi­a­hy sy mitebiteby ka mila alamina ny sainy mba hanana fahatoniana.

“Mandavan-taona ny fianarana sy ny fitakiana fifantohana ho an’ny mpianatra fa tsy rehefa akaiky fanadinana ihany. Maro ireo mpianatra no tsy nahavita niomana fa variana tamin-javatra hafa ka izao vao mitady fahagagana.”, hoy hatrany ny mpanabe noresahana.
“Tsy fotoanan’ny famerenan-desona be intsony izao fa mamizana ny atidoha indray. Ireo teboka vitsivitsy tena tsy hay sisa no hitadiavana paikady ny hifehezana azy.”, hoy ny torohevitry ny mpampianatra.
Anisan’ny taranja tena mampatahotra ny tanora ny taranja siantifika, matematika sy fizika. “Fahaizana mampihatra ny raikipohy ary manaraka ny lojika iha­ny no paikady tsara indrindra,. Mifantoka, mitadidy, mampihatra… tsy manary fotoana kanefa tsy mikoropaka mandritra ny fanadinana.”, hoy ny soso-kevitry ny mpampianatra.

Roa herinandro sisa dia higadona ny fanadinana BEPC. Hatao ny 3 ka hatramin’ny 6 jolay izany. Ny 17 ka hatramin’ny 21 jolay kosa ny fanadinana bakalorea.

Tatiana A

Partager sur: