Nanao fihetsiketsehana ny tantsaha mamboly eny Laniera, secteur 12 (XII), ny sabotsy 10 jona teo. Satria, mbola misy manakorontana foana izany fitompoana ny tany izany. Ilay novakiana nanamboarana ny lalana avy eny Tsarasaotra mankany Ivato ity toerana ity, ahitana tanimbary sy fambolena legioma samihafa. Voasokajy ho fanajariana ny tany eny ambanivohitra, na « Aire de mise en valeur rurale » (AMVR) ny Laniera secteur 12, ary mbola mitoetra izany hatramin’izao, satria tsy misy ny lalàna manafoana izany, araka ny didy hitsivolana 62-042 tamin’ny septambra 1962.
Nandritra sy taorian’ny nanaovana ny lalana, nisy nanao hafetsena nanoratra ho titra ambony latabatra ny tany tamin’ny olona miisa 300, ahitana fikambanana, orinasa, olon-tsotra, ny velarantany manontolo ambolen’ny tantsaha. Nitory ireto farany, mivondrona ao anaty fikambanana Laniera mamokatra secteur XII, ary nahazo rariny araka ny didim-pitsarana miisa roa, samy nivoaka ny novambra 2019.
Nofoanan’ny fitsarana ny titra tsy mazava
Nohamafisin’ny didy fa mbola manan-kery ny ananan’ny tany ny sata AMVR. Tsy manan-kery ny titra izay tsy nisy fidinana ifotony sady tsy nakana hevitra koa ireo mpanajary ny tany. Nofoanan’ny fitsarana ny fanoratana ho titra tsy mazava ny tany sy ny taratasy samihafa mifandraika amin’izany ary ny anaran’ny olona na ny orinasa. Nobaikoin’ny fitsarana ny Sampandraharahan’ny fananan-tany hanomezana sy hanoratana ireo tany ireo ho an’ny fikambanana Laniera mamokatra secteur XII.
Manoloana ireo, mitaky amin’ny filoham-pirenena sy ny fitsarana ary ny minisiteran’ny Fambolena, ny fikambanana Laniera mamokatra secteur XII sy ny fikambanana fiarahamonim-pirenena OSC miisa 61, handray andraikitra manoloana ity tranga ity.
Njaka A.
Anisan’ireo OSC miara-mitaky amin’ny fikambanana Laniera ity ny : AVG, Sif, Actions sans frontière, BIMTT, CNPE, CODE Menabe, Fekritama, FVTM, FTMF, Fimpa, Fitafabe, Msis Tatao, Ny Tanintsika, ONDH, ONG Eden, ONG Efa, ONG Ravintsara, Réseau Soa, Tanora vonona, Transparency-IM, sns.