Hofaranana tanteraka ny 20 jolay izao ny rejisitry ny mpifidy, araka ny nambaran’ ny Ceni, teny Alarobia, omaly. Na izany aza, mbola azo atao ny mitondra fanamarihana momba izany. “Hatao petadrindrina eny anivon’ny fokontany ny lisitra nofaranana ny 10 jona ka manana 20 andro hanaovana fanamarihana sy fanamarinana ny olom-pirenena tsirairay”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama. Nohamafisiny fa mbola afaka misoratra anarana, mandritra izany koa, ny olom-pirenena feno taona hatramin’ny 10 jona, tsy mbola anaty lisitra. Mila manana karapanondro sy tsy mbola noverezin-jo izy ireo.
Hifarana tanteraka ny 17 jolay ny lisitra eny anivon’ny distrika. Manana roa andro aorian’izany ny Ceni foibe hanaovana ny fanamarinana sy fanalana ny mety ho miverimberina. Hifarana tanteraka ny 20 jolay ny rejisi-pifidianana nasionaly. Io no hoentina miatrika ny fifidianana hatao ny 9 novambra izao, ho an’ny fihodinana voalohany, fifidianana filoham-pirenena, ary ny 20 desambra kosa ho an’ny fihodinana faharoa, araka ny tolo-kevitry ny Ceni. Mbola iandrasana ny fanapahan-kevitry ny governemanta izany.
13 tapitrisa
Tsiahivina fa mihoatra ny antontanisa azo tamin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (Rale 2021-2022), natao farany teo, ny mpifidy tafiditra amin’ny lisitra nofaranan’ny Ceni, ny 10 jona. Miisa 10 768 137 ireo tafiditra raha 10 749 934 izany tamin’ny Rale. Manantombo 18 203 izany.
Etsy andaniny, mbola misy mpifidy voasoratra anarana maromaro tsy tafiditra anatin’ny antontanisa vonjimaika noho ny antony teknika, amin’ny fampidirana anaty solosaina.
“Ny 79, 23% amin’ny tanjona napetraka no tratra tamin’ity fanisana natao ny 1 oktobra 2021 ka hatramin’ny 10 jona 2023 ity. Olom-pirenena miisa 13 500 000 mahery nokendrena ho voaisa, araka ny vinavinanay”, hoy ny eo anivon’ny Ceni.
Synèse R.