Mandalo eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao, ilay Frantsay, i Olivier Sicard, 6ème Dan Kukkiwon sy 7è Dan Chung do Kawan, amin’ny taekwondo WT. Nanome fiofanana ho an’ireo tempana mainty sy ireo tempana mena hanaovana fanadinana hiakarana grade atsy ho atsy ny tenany, ny alatsinainy lasa teo, teny amin’ny Dojo Sorang Andavamamba. Tsy ny mpikatroka taekwondo ihany no nisitraka izany fa teo koa ireo mpanao MMA miampy ireo mpampianatra sy mpanabe. Nambaran’i Sicard fa fiofanana “self defense” na ny teknikan’ny fiarovan-tena ny hany nozarainy, ho an’ireo mpiofana. “Zava-dehibe ary tsy maintsy ilaina ny fahaizana miaro tena amin’ny haiady”, hoy izy. Anisan’ireny, ny fomba hifehezana ny mpifanandrina amin’ny tena, ny fahaizana mifehy tena ao anatin’ny fepetra takina.
Vita eto ny fanomezana tempana mainty
Nambaran-dRamanantsoa Christian, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taekwondo WT, angady nananana sy vy nahitana, fa tsy vao izao akory i Sicard no nanome fiofanana fa efa imbetsaka satria izy dia filoha lefitry ny federasiona sady tomponandraikitry ny tempana mainty eto Madagasikara.
Zava-dehibe ny fiofanana tahaka izao satria ahafahana mahafantatra ny fivoaran’ny teknika maneran-tany. Notsiahiviny fa nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Kukkiwon sy ny federasiona ka tsy alefa any Corée intsony ny valim-panadinana ahazoana tempana mainty manomboka eo amin’ny 1ère ka hatramin’ny 6è Dan fa afaka ankatoavina eto Madagasikara. Hatramin’izao, mahatratra 50 ireo efa manana tempana mainty Kukkiwon, izay ankatoavin’ny iraisam-pirenena, izay ezahina hiakatra 100 amin’ity. Ankoatra izay, handefa olona 2 ny federasiona, hiofana any Corée, ny volana novambra ho avy izao. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, ny fahazoana fitaovana avy amin’ny kukkiwon.
Torcelin