Herinandron’ny fizahantany : natomboka tamin’ ny “Cleaning day”

Nosokafana tamin’ny fo­mba ofisialy, omaly, teny amin’ny La Haute ville, ny herinandron’ny fizahantany eto Antananarivo. Nisy, ara­ka izany, ny hetsika «Tourism cleaning day». Nikarakara izany ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, ary ny hetsika asa tanamaro nataon’ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tanjona ny hanadiovana ireo toeram-pizahantany rehetra eny an-toerana, raha ny fanazavana.

Nanomboka omaly, hifarana ny 19 jona ny herinandron’ny fizahantany. Maro ny hetsika hanamarihana iza­ny, raha ny fanazavana. Misy ny “Salon ITM” natokana ho an’ireo mpizahatany, fizarana mari-boninahitra ho an’ireo mpisehatra amin’ ny fizahantany, ny “soirée du tourisme”, ary ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Rovan’i Manjakamia­dana.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: