Ho raharahabe !

Nahoraka ny tositosika sy ny fifanasana vangy, ary niafara tamin’ny fianjerana mpitandro filaminana, nataon’ny mpanao politika iray, tany Morondava, ny faran’ny herinandro lasa teo. Niteraka fanehoan-kevitra samihafa izany. Andaniny, nisy ny nankasitraka sy nipao-tsatroka tamin’ny fahasahian’ingahy depiote nijoro tamin’ny heviny. Raha ny fantatra manko, efa nahazo alalana izy ireo hanao famoriana saingy nosintonina indray izany. Tao anaty toerana mifefy, rahateo no nanaovana ny hetsika ka tsy tokony hisy ny sakana. Noraisan’ny mpitarika sy ny vahoaka mpanohana azy ho antsojay sy filam-baniny izany.

Etsy ankilany, mpanatanteraka baiko sy mitandro ny filaminana ny mpitandro filaminana. Namaivay koa ny tsikera sy ny fanomezan-tsiny an’ity depiote ity sy ny ekipany. Maro no nitondra fanamarihana fa endriky ny fomba fitondrany eo amin’ny tontolo politika ny “besandry” tahaka izao. Taratry ny maha raiamandreny azy anefa ny fanajana ny rafitra sy lamina apetraky ny fitondrana mijoro. Misy ny lasa lavitra tamin’ny fanamarihana ka milaza fa tsy mendrika hitondra firenena ny olona tahaka izany. Manome maodely ratsy amin’ny tsy fanarahan-dalàna kanefa mpanao lalàna, sy mikendry ny ho filohan’ny Repoblika.
Fanehoan-kevitra samy manana ny antony hisafidianany izay handrian’ny fony sy ny sainy ireo. Efa iraha-miaina ny zava-misy, mafampana ny tanàna. Anatin’ny vanim-potoana mialoha ny fifidianana i Madagasikara, efa mandeha ny kajikajy sy paikady isan-karazany. Na tiana na tsy tiana, ho henjana ny raharaham-pirenena satria efa fotoana tsy hisian’ny fanjakazakana mandeha ila intsony izao. Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra fa manam-pahefana. Samy mampiseho ny tanjany ara-bola sy arak’olona ny mpifanandrina rehetra. Efa mandeha ny vava tsy ambina izay feno fihantsiana, manosihosy ny hasin’ilay tanindrazana.
Manoloana izay indrindra no hanantitranterana fa vanim-potoana tsy tokony hanomezan-danja ny fifampiandaniana diso toerana izao. Tsy tokony hovoizina ny fifankahalana noho ny fiarovana tombontsoa manokana. Tsy tokony haverina eto Madagasikara ny zarazarao hanjakana, kanefa ny madinika ihany no mahita faisana.

Manana adidy hisoroka izany koa anefa ny vahoaka tsivakivolo. Heverina fa tsy hisy intsony ny ho tafiditra anatin’ny vela-pandriky ny mpanao politika amin’ny vary iray kapoaka sy ny akanjo iray mandritra izao fotoam-pifidianana izao. Mila voizina mafy ilay soatoavina malagasy mandala ny firaisankina sy ny firahalahiana, raha tsy izany ho raharahabe ny zavatra hiseho eto amin’ity firenena ity, aoriana kely. Izy manomboka mivadika ho fifandrefesana amin-kery io!

r.r

Partager sur: