Kizon’Akondrokely: maty voatifitry ny zandary i Kakaboy sy ny namany

Voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana tao amin’ny kizon’Akondrokely, ny alahady alina teo, i Faby na i Kakaboy.

Tao amin’ny kizon’ Akon­drokely, kaominina Am­bato no nifanehatra ta­min’ny zandary ity jiolahy raindahiny ity. Voalazan’ny fampitam-baovao fa herinandro ma­hery teo no nahenoan’ ireo zandary miasa ao amin’ ny zana-tobim-paritra (PA) Avaratsena Sahalemaka fa hoe mihaodihaody ao amin’ny fo­kontany Ambojorery i Kakaboy sy ireo namany. Miko­non­ko­nona fanafihana mitam-piadiana izy ireo tamin’io fotoana io. Nametraka ny vela-pandrika mba hahafahana misambotra azy ny zandary ka nifanehatra teo amin’ity kizo ity ka raikitra ny fifandonana. Nitohy ihany ny fanarahan-dia sy ny sakana tany amin’ ireo kizo manodidina ka nifanehatra tamin’ny zandary (PA) Anjanadoria sy ny Tafika avy ao amin’ny ZDS Ikopa teo amin’ny kizon’Andalana, anatin’ny kaominina Anja­na­doria, omaly vao maraina, tamin’ny 2 ora ny naman’i Kakaboy. Mafy ny fifandonana satria nifamaly tifitra ta­min’ny zandary sy ny Tafika ireo jiolahy. Lavo ta­min’izany i Mahasoa, Raboresy ary Mahefa. Basy poleta roa (9 mm sy calibre 12 vita tanana sy bala maromaro, sabatra, antsy) no tratra tany amin’izy ireo. Nomarihin’ny zandary fa ny roa amin’ireto jiolahy ireto dia anisan’ny tarik’i Harris namono nahafaty ilay zandary niasa tao amin’ny PA Antolojanahary , ny volana desambra 2022.

Jean Claude

 

Partager sur: