Mahajanga : tolotra vaovaon’ny CNaPS

Manome tolotra vaovao ny Tahirimbolam-pirenena ho an’ny fiahiana sosialy (CNa PS). Natao sonia, omaly, tany Mahajanga, ny fifanarahana eo amin’ny Foibe haino sy torolalana (CEO) ao amin’ny CNaPS sy ny toeram-pitsaboana Ziona Vaovao FJKM Mangarivotra, ny hopitaly loterana Antani­malandy (HLA) ary ny toeram-pitsaboana Fanantenana Kato­lika Tsararano Ambony. Tanà­na faharoa nanaovana ny tetikasa ny any Mahajanga, manana zokiolona be indrindra aorian’Antananarivo.
Nambaran’i Tsaboto Josli­na, tale jeneraly mpisolo toerana ny CNaPS, fa tafiditra ao anaty politika nasionalin’ny fahasalamana, Velirano faha-5, mikendry ny fahasalamana ho an’ny sokajin-taona rehetra ny tetikasa. Manana adidy hanatrarana izany ny CNaPS satria maro ny mpiasa malagasy marefo taorian’ny krizy Covid ireny, ka mila arahi-maso akaiky ny fahasalaman’ny zokiolona.

Ho an’ny nahafeno fepetra
Hisitraka ity tolotra vaovao ity ny zokiolona mpikambana CNaPS mahafeno ny fepetra. Toy ireo nahefa ny latsakemboka 60 volana farafahakeliny nanomboka ny septambra 2016, ireo mandray solon-ta­kaitra, ireo tsy mpikambana ao anaty Afafi, ireo mandray fisotroan-dronono latsaky ny karama farany ambany (SME) 419. 000Ar isan-telo volana, na 169. 700 Ar isam-bolana na latsaky ny 238.000 Ar isam-bolana.
Nilaza ny talen’ny tobim-pahasalamana Ziona Vaovao Mangarivotra, Randriamaro Geronimo, fa hoentanina ny mpiasa rehetra handray an-tanana ny fahasalaman’ny zokiolona.
Azo hatonina ny foibe CEO Mahajanga ho an’izay hisoratra anarana, miaraka amin’ny taratasy momba azy.

Njaka A.

Partager sur: